Antso !!!
Ry Namana,
Tsy afaka ny hiaritra sy hiandry intsony isika satria raha izao no mitohy dia hivarilavo ny firenena sy ny taranaka.
Ireo izay mba nantenaina hanirina indray ity no mampivandravandra.
Ireo izay nantenaina hitarika indray no manao izay hampalemy ny fanavotana ny Tanindrazana.
Koa dia miantso izay mahatsiaro tena ho tia Tanindrazana, ireo izay tsy manaiky izao fanapotehana ny taranaka fara aman-dimby izao mba hifanome tanana hioitra, hiady araka ny tandrify azy avy.
Tsy ho an’i Ravalomanana, tsy ho an’ny TIM fa ho an’ny Tanindrazana !!!
Ary tena ho an’ny Tanindrazana fa tsy sahala amin’ireto alika miandry taolana antsoina hoe tafika ireto. Tsy handray andraikitra intsony ireo fa efa ny hivaro-tena no mahamaika azy.
Koa raha misy mazoto na te-hitroatra nefa tsy afaka noho ny ramatahora ataon’ny FAT dia aoka mba hanoratra ato @ ity adiresy ity (menalamba@ymail.com) ka ahafahana mampiasa ny fahaizan’ny tsirairay. Na inona na inona fahaizana manokana anananao dia azo ampiasaina daholo izany.
Tsy misy tambiny anefa izany ary tsy avy aty amiko ianareo no hahazo karama. Fa kosa tsy maintsy asiana fandrindrana ny zavatra atao mba tsy ho herim-po very maina.
Ho lazaina antsika ihany ny fomba fifandraisana vaovao ilaina eo amin’ny fiaraha-miasa rehefa tena maripototra ny fahavononan-tsika ary rehefa tena azo antoka fa tsy hisy mpamadika, na raha sanatria ka misy dia ho mora ny hahatratrarana azy.
Aoka anefa hazava fa tsy sangisangy izy ity. Ka raha sanatria misy mamadika ka tratra dia tsara ny mampahafantatra fa tsy hisy ny indra-fo.
Izay ary Tompoko ka dia manantena aho fa tsy ho very sahala amin’ny sira latsaka an-drano ity Antso ity.
Masina ny Tanindrazana !!!
19 septembre 2009 à 13:14 |
Ndao mba atao hoe: MASINA NY MPIRAY-Tanindrazana!
21 septembre 2009 à 15:58 |
Miarahaba antsika rehetra!
Faly sy vonona ny hanavotra ny tanindrazana raha toa ka mbola misy ny aina sy fo ary ny saina indrindra eo anoloan’izao toe-draharaha izao.
Manantena sy mirary soa indrindra!
A.H.
28 septembre 2009 à 22:09 |
L’UNION FAIT LA FORCE. REMETTONS TOUJOURS NOTRE CHERE PATRIE ENTRE LES MAINS DE DIEU POUR QU’IL NOUS GUIDE DANS LES DECISIONS A PRENDRE LE PLUS RAPIDEMENT POSSIBLE = PAS DE PRECIPITATION. IL Y VA DE LA VIE DE NOTRE PAYS ET DES GENERATIONS A VENIR. MERCI A VOUS DANS TOUS LES CAS.
29 septembre 2009 à 06:40 |
Raha fahavononana dia vonona. Ilaina kosa anefa ny fifampifehezana mba tsy hisian’ny fanjakan’i baroa toy izao iainantsika izao. Misaotra amin’ny fifanentanana ary miandry ny fiantsoana.
29 septembre 2009 à 09:50 |
Miarahaba,
Difficile de trouver ce site… grâce à un lien à partir d’un forum, j’y suis tombée et répond favorablement à la démarche/projet. J’enverrai un message à l’adresse indiquée (menalamba@ymail.com).
Par ailleurs, je pense qu’il faudrait parler ou citer ce lien dans max de forums malgaches existants pour une large propagation.
3 octobre 2009 à 17:10 |
Man’ahoana,
Fa taiza itony site itony no tsy tazana hatram’zay e!!!
Marina ny an’i Angie hoe ndao haparitaka eraky ny forum gasy rehetra mba ho hitan’ny maro an’isa mitovy hevitra @tsika.
Mankasitraka sy miandry vaovao e!
5 octobre 2009 à 09:12 |
za koa vonona : efa io hitanao io ny adresy mail ko
16 février 2010 à 13:01 |
Vonona izahay.
9 mars 2010 à 22:41 |
Izaho koa vonona…
21 avril 2010 à 19:32 |
Tiako ny tanindrazako !!
22 avril 2010 à 08:08 |
Mankasitraka tompoko ary tena faly fa misy vonona toa ahy, nefa tsy afa manoitra noho ny tahotra : basy, fisamborana sns……., ka mba soso-kevitra avy hatrany no mba atolotro raha mety, maninona moa raha miezaka mafy mampiely azy ity isam-pokontany fa izay no farany itako haingana indrindra. ny fokontany hipetrahako izao dia 99% dia tena tia hietsika nefa tsy hita hoe inona no anombohana azy, samy mifampiandry satria Ambanivohitra no misy anay, hitanareo ihany ireo tantsaha fa tena mahonena no mijery azy, dia voatery mangina tsy fidiny, mangina amin-tahotra,Miandry tompoko sy mahereza daholo.
14 mai 2010 à 10:46 |
Mila mitandrina tsara ny mmalagasy fa misy tena “mahery fo sy fihetsika” diso tafahoatra. Ny vahaolana tsotra arosoko dia izao : mila mihombona saina sy fo ary fanahy ny malagasy rehetra
23 septembre 2010 à 05:52 |
Nankaiza ianao ry Menalamba tia tanin-drazana a ? on l’organise cette résistance ou pas ?
12 décembre 2010 à 13:56 |
Raha azoko tsara ny tian’i Menalamba ho ampitaina de miainga avy aty amintsika vahoaka ihany ny vaha olana tsara indrindra. Ka iza ary no mbola andrasana e?
6 janvier 2011 à 15:15 |
Vonona hatrany e!
19 mars 2012 à 14:34 |
ô ry menalamba! ry havako maty mifohaza, ry tia tanindrazana mitsangana!!!! navelenareo gasikara ka simba ravarava
20 mars 2012 à 12:49 |
mbola valable v ity antso ity ?
kay “humeur” ny ps ko tato taloha fa tsy tsaroako intsony