Posts Tagged ‘Andry Rajoelina’

Fahiny hono…

17 mars 2012

Taloha hono Rankizy, na mbola tsy tonga teto aza izany antsoina hoe « kristianina » izany dia mbola nanaja ny rafitra misy teo @ fiaraha-monina daholo ny malagasy.

Ny Zandry mihaino ny zoky, ny zanaka manaja ny ray aman-dreny, ny vahoaka manaja ny Mpanjaka ary ny Mpanjaka na dia tsy refesi-mandidy aza dia mbola miera amin’ny Ambany Lanitra isaky ny hanatanteraka zava-dehibe eo @ Tany sy ny fanjakana.

Tsy tonga lafatra ny zava-nisy t@ izany satria mbola nisy ady sy fifandirana teo @ ireo mpanjaka samihafa.

Tamin’izany dia efa nisy ny tia kely sy adalam-bola sy voninahitra saingy rehefa tratra dia tsy mba nomena fiantrana fa dia najedaka avy hatrany satria fositry ny fiaraha-monina.
Tamin’izany koa efa nino ny Malagasy fa misy ilay Nahary ao ambony mitahy ny ety ambany.

Nanomboka natanjaka tokoa ity firentsika ity t@ izany. Feno fahendrena sy faharanitan-tsaina ary fitsijoana ny lavitra ny Mpanjaka t@ izany ka nahay nandray izay mahasoa (toy ny fianarana manoratra natomboka t@ sorabe) sy izay mahatsara ambina ny tanindrazana.

Noho ny fialonana sy ny fitiavan-kely nisy tao anatin’ny fanjakana anefa dia nanomboka nivadika daholo ny rafitra misy.
Ny tsy tokony hanjàka no lasa mpanjaka. Ireo « mpanolotsaina » natao hanoro ny fahendrena tokony harahina no nanita-tsaina haka fahefana ankolaka, ka izay marivo salosana tao @ fianankavian’ny Mpanjaka no natosiny hahazo ny toerana.

Nanomboka teo dia nisisika teto daholo ireo vahiny nilaza azy ho mahay noho ny Malagasy. Tao ireo nilaza fa ny Andriamanitry ny Kristianina ihany no tokony hivavahana fa ny ankoatr’izay dia fanompoan-tsampy.
Ka mba hahatongavana haingana kokoa any @ Fanjakan’ny Lanitra dia tsy maintsy manaraka ny didy sy baikon’ireo Misionera sy Mopera ary Pasitera daholo ny Malagasy.

Tao ireo nampisarambazana ka nilaza t@ fianakavian-dRakoto fa nanandevo azy foana no nataon’ny fianakavian-dRabe ka tokony tsy hanaiky izy.
Dia roboka tokoa Rakoto handrava ny « didy jadona » nataon-dRabe ka ny niafaràny dia andevom-bazaha daholo na i Rakoto na i Rabe.
Saingy tsy nampaninona an-dRakoto izany satria aleony Andevo Maoderina toy izay ho eo ambany fifehezan-dRabe na dia fantany aza fa noho ny fahandondronany no nahatonga azy ho Andevo fa tsy noho ny fiaviany.

Tsy ho lava fitantara aho Rankizy fa raha mandinika isika dia mbola toy izay ihany no zava-misy @ izao fotoana izao.

Efa nangeren’ny vahiny ny lohan-tsika sy ny tanintsika ary ny olony no napetrany mba « hitantana » antsika kanefa dia mbola miondrika tsy sahy mitràka ary tsy sahy mihetsika isika satria ao ny milaza fa Andriamanitra no mamaly ratsy ny ratsy.

Aoka anefa ho fanta-tsika rankizy fa ilay Nahary dia tsy manampy ireo izay variana mitorevaka.
Ilay Nahary tsy mba mankasitraka ny Vahoaka manaiky ho fehezin’ny olona ratsy toetra sy ratsy fitondra-tena.
Toa hoe izany Mamy R. sy izany Patrick L. izany hono no tena mitondra satria « sakaiza mpiara-matory » @ ilay mitono-tena ho mpanjaka @ izao fotoana izao.

Ilay Nahary tsy mba mankasitraka an’ireo tsy mahay miaro ny tany masina nomena azy.
Toa hoe izany Iqbal sy izany Rajabaly izany hono no manao tantely afa-drakotra ny toenkarena.

Ilay Nahary tsy hiaro an’izay tsy mahay misafidy ny olona hibaiko ny tafika ao aminy.
Toa hoe izany Ismael M. izany hono no tena mpibaiko ny « tafika » malagasy.

Koa aza be taraina ary Rankizy ka sanatria handeha himenomenona any @ Ilay Nahary rehefa maty sy lany tamingana satria dia homeny valinkafatra hoe : « Efa impiry aho no nanampy sy nanoro anao ny tokony hatao fa ianao mihintsy no kanosa sy kamo ka odianao antsoina isaky ny iray minitra ny anarako mba ahafahanao manilika ny heloka aty amiko. »

Ka nieritreritra aho Rankizy fa tsy afaka ny handresy lahatra ny kamo sy ny kanosa. Rehefa tsy hiady ianareo dia aleoko ataoko mangina ny ady ataoko sao hahazoana tsireka mankadilo sofina indray hoe: « Lasa extremista ianao izany !!! » , « Tsy eken’Andriamanitra izany fisainanao izany !!! ».

Ianareo manko Rankizy matanjaka be sy sahy manompa sy mamono rehefa samy malagasy voatsindry fa manao tsiky miraran-kivy rehefa mahita ny harena halatra sy fiara vaovao be ary vehivavy lalaovin’ireo mpivarotra tanindrazana.

Ka raha izaho ianareo Rankizy tsy dia miandry ela intsony fa tonga dia omeo an’ireo tsy vanona ireo ny taninareo sy ny harena fonosiny.
Tonga dia haboridano eo anoloany ny zanakareo vavy sy anabavinareo na rahavavinareo sao dia mba ahazoana toerana sy ticket carburant.

Raha ohatra moa ianareo somary lehilahy sarisarim-bavy dia tonga dia any @ ilay nitonona ho « mpanjakanareo » mandeha fa izy hono toa mankafy lehilahy.

Izay ary Rankizy fa samy ho tahian’ilay Nahary raha mazoto Izy.

Fa ny ahy aloha rankizy ny andro sisa hiainako dia efa hatokako handripahana an’ireo tsy valahara taranak’alika ireo.
Tsy maika mihintsy aho @ fanatanterahana an’izany fa dia halefako tsikelikely @ fomba mirindra sy maty paika.

Dadarabe