Zanak’alika, zanak’adala sa zanampokon’olona?


Zanak’alika :
Ireo mpandainga zatra mamahan-dalitra ny vahoaka hatramin’ny niantombohan’ity ota sy fady ity ka mbola mandemy saina ny olona hatramin’izao:
Rolly Mercia, Jeannot Ramambazafy, Franck Raharison, sns
Mihevitra azy tsy ho tratry ny aloka kanefa voalohany rehefa hitaraina.

Ireo izay efa nanaiky hatao fitaovana hanao kobaka am-bava any ampitan-dranomasina ka tsy tahotra tsy henatra manendrikendrika ny hafa ho mpangalatra fa hay efa manomana mafy ny halatra hatao ary avy eo dia mihevitra ny olona ho kentrina ka mody manadio tena mafy eran’ny tanàna @ alalan’ny « fanaovana asa soa »:
Augustin Andriamananoro, Philippe Rajaona, Eric Rajaona, Julien Razafimanazato, sns

Ry mpamono olona mianakavy henjehin’ny eritreriny ka mba tsy hahalasa azy adala tanteraka dia tohizana ny fandaingàna, fangalarana sy ny famonoan’olona:
Alain Ramaroson, Richard Ravalomanana, Lylison, Charles, sns.

Ry zareo entin’ny fankahalàna olona iray na vondron’olona iray ka na hitotongana any an-kady aza ny firenena sy ny taranaka dia tsy maninona fa izay no izy na ho vy na ho vato :
Andriamanjato Richard, Andriamanjato Ny Hasina, Mounibou Ismael, Ramanandraibe

Zanak’adala :
Ry zareo mpisabàka tsy manan-kambo. Ny vava no atatatata, ny volo no ahotsonkontsona dia mihevitra ny tenany ho « avo lenta » ka gaga rehefa tsy hainoin’ny vahoaka sady angerezan’ny sasany. Be loatra ny fisabakàna ka mibontsina ny kibo noho ny fidiran’ny rivotra be loatra any @ ilay lavaka tsy ho tononina:
Mam Dyeux, Vodin-tsobika, Tatay Ambroise, sns

Ireo milaza azy ho mpitarika ny mpanara-dalàna kanefa zara raha hita mihosona miaraka amin’ny mpitolona fa ny hanomana ny éléksiô sy ny akôr de ma pute no maha-maika sao dia tsy mahazo toerana eo raha toa milamina ny tany.
Ny mahagaga dia araky ny mahalava ny fahasahiranana mahazo ny vahoaka no mampitombo ny taviny:
Adison, sns

Ny « vahoaka »-n’ny 13 Mai. Faly ery tsy hanara-dalàna sy himenomenona kanjo ny olona notohanana ihany no mangery eo antampon-doha.

Zanampokon’olona :
Ny olon-tsotra voan’ny tosi-drà noho ny fahasahiranana izay nitombo avy zato heny.
Ny zatovo lasa manana fitondran-tena mahamenatra sy maharikoriko satria na ny ao an-trano aza efa mikorontana.
Ny be tsy miteny fa miady mafy miasa sy mitàna ny maha olombelona na dia sarotra dia sarotra aza satria efa zary toa lasa nanorim-ponenana eto ny devoly.

Farany. Mahatsiaro ny angano fihainoko taloha tao @ radio aho ka mba hamerina eto ilay fehezan-teny tiako dia tiako tamin’izany:

« Raha Andrian-dRay aho, raha Andrian-dReny, dia enga anie ka ho faty ao anatin’ny fijaliana tanteraka i Andry Rajoelina sy taranany ».

« Raha Andrian-dRay aho, raha Andrian-dReny, dia enga anie ka ho ela velona ny ray aman-dreniny ka hanatrika izay fahafatesan’ilay zanak’alika izay ».

Ary hoy ny Ntaolo: « Ny tody tsy misy fa ny atao no miverina. »

Angano, angano… Izaho mpitantara, ianao mpitsentsitra

Étiquettes : , , , , ,

17 Réponses to “Zanak’alika, zanak’adala sa zanampokon’olona?”

  1. Verohanitra Says:

    Tena mitovy hevitra aminao aho ry Menalamba :
    « Raha Andrian-dRay aho, raha Andrian-dReny, aza atao mahita ny mazava-bahoaka ireto olona tsy vano-toetra, mpamafy lainga fitaka, managadragadra fahatany, mpivarotra tanindrazana, mpampahory vahoaka, fa hilevim-belona tsy hahita hisitrihana. Ary ny vahoaka manontolo hahita izany fahoriana mianjady amin’izy ireo izany. »

  2. TSIMANAIKY Says:

    Aza adino mihintsy ry Onitiana realy, maurice tsiavonana sns nokaramaina manokana hanaratsy an’i Pdt Ravalomanana fa hoe mpanao gazety malaza hono

  3. The Man Says:

    Ho sarotsarotra ho an’ireo FATin’aliaka ireo mihitsy ny hamaly ny zava-bitany atsy ho atsy. Na ho ela io na ho haingana

  4. prettyzoely Says:

    Manao ahoana Menalamba !

    Misaotra anao mampiseho ny anaran’ny olona nahavita ratsy ho an’ny tanindrazana.
    Ka raha mbola tsy tonga saina @ izao dia…

  5. voahangy Says:

    misaotra anao nahasahy milaza ny marina raha Andrian-dRay aho raha Andrian-dReny ataovy mitourne ohatran’ny foza ny fiainan’ireo

  6. humeur Says:

    za efa nalahelo an i Menalamba kay io izy eo ihany

  7. Fara Says:

    Mankasitraka anao Menalamba a ! Tsara mihitsy ny mandrakitra an-tsoratra ireo anarana ireo ho tadidin’ny faramandimby. I Odon adinonao.

  8. rico Says:

    ny mahagaga fotsiny de efa fantatra tsara daholo ny zava-misy rehetra indrindra fa ny mikasika an’ireo olona voalaza ireo saingy ohatry ny mbola mitohy hatrany ary miha mahery vaika aza ny zavatra ataony. Dia ny datin’ny 28 aprily ve no hanafoana izany?
    Enga anie, satria raha nitohy naniry foana ny hazo de tonga tany an-danitra.
    Raha andrian-dray aho ,raha andrain-dreny de ataovy hitan’ny malagasy rehetra ny fiafaran’ireo tsy mataho-tody ireo.

  9. zaratsara Says:

    Efa tody ireny niseho tany atsimo atsinanana sy vatovavy ireny satria avy any ry Charles sy Pierrot nangatka tso-drano dia ireny rivodoza ireny no tonga. Saingy ny vahoaka nonampalahelo.

  10. Zanak'i dada Says:

    Na inona na inona fanaratsiana an’i zanak’i dada, tsy maty akory izahay, tsy mihemotra, ary indrindra indrindra, miha mahery fo ary miha maro isa hatrany amin’ny fitakiana ny fametrahana ny ara-dalàna eto an-tanindrazana!

    Homba antsika rehetra Andriamanitra

  11. mandinika Says:

    RAVALO NO TSY MATAHOTODY . ARY MINJINJA NY NAFAFINY
    T@ 2002 @ IZAO. TADIDIO NY DIDY JADONA NATAON’I PINOCHET KELY TETO MADAGASIKARA nanomboka ny 2002 niafara ny 2009 AZA ODIANA TSY HITA NA FAFANA!!!!
    FANAGADRANA IZAY TSY NITOVY HEVITRA NA NANOHITRA AN-dra8.
    ny POLISY sy ny PENINTENTIAIRE no nataon-dravalo BE KARAMA satria HISAMBOTRA sy HIAMBINA NY VOASAMBOTRA.
    AIZA VE KA INSPECTEUR BAC+2 no NITOVY KARAMA @ DOKOTERA BAC+8! Iny grevy nataon’ny DOKOTERA dia itarafana ny fomba nitondra ny ravalo mpivarodronono any MADAGASIKARA. AZA MIANIA MANADINO RY TSY MATAHOTODY RETO !!

    • menalamba Says:

      Mifangaro be ny anao ny sora-baventy sy ny sora-madinika fa entim-po loatra ka tsy miasa intsony ny saina. Iza moa ilay nogadrain-dRavalo ka mampalahelo anao?
      I Voninahitsy nanao chèque sans provision ve? Sa i Pety mpangalatra omby sy fiara? Sa i Coutity mpamono olona?

      Ianao izao no tafiditra ao @ ilay lazaiko hoe : « …tsy tahotra tsy henatra manendrikendrika ny hafa ho mpangalatra fa hay efa manomana mafy ny halatra hatao ary avy eo dia mihevitra ny olona ho kentrina… »
      Aiza hoa aiza moa no misy an’io lazaiko io etsy ambony etsy?

      Ary tsy mbola nilaza mihintsy aho hoe olo-masina i Ravalo. Fa raha be tain-delo i Ravalo, izany akory tsy manome zo an’i zanak’alika hangery eo antampon-dohan’ny malagasy.
      Raha mbola tsy mazava aminao izany dia asaivo hazavain’izay miteny italiana…

      • humeur Says:

        ampy ho an’i mandinika koa izay, raha mpbola tsy ampy ndana mitomany any amin drasarla !

    • Mangina Says:

      Ratsy ry ilay fatin’olona ity Ravalomanana koa mbola hajain’izao tontolo izao ????

      Fa nitono sa nahandro no mahana ??? Avelao ny Dadanay !
      TGVnten’izsany no mpanao didy jadona ohatran’i Pinochet.
      Fa mba inona no ataon’ity vonganditinten’isany ???
      Firy ny olona nogadrainy sy NOVONOINY ????

      Mandneha any @ afobe fa tsy valahara !!!!
      Manodiava @ taranaka (raha mba hanana) beuuurk

  12. Si Says:

    misaotra é,
    io ilay tonga amin’ny fiteny hoe samy mijinja izay nafafiny na ho ela io na ho haingana!!ary tsy ho ela izany fotoana izany.

  13. Dinitra Says:

    Moramora ihany ianareo, ny tantara dia mbola mitohy. Eo isaka mahita izy. Na izany aza dia isaorana era-po era-tsaina ianao ry menalamba.
    Izahay dia manohana an’i Dada hatramin’ny farany ny inona iny na inona. Iny ny anay satria mila olona mahery toa azy ny Malagasy, fa tsy toan’io rera-dava amin’ny fampandihizana sy famonjena boite de nuit io.Ary marina ve fa hoe tany amin’ny boite hono no nifankahitan’izy sy miali.Ohatry ny sipa efa niaraka tamiko iny, tsy diso izany fitadidiako izany. Nanenina aho le aza a!

  14. FeoIray Says:

    Mankasitra Menalamba!

    Misy farana daholo ny zava-drehetra!

Laisser un commentaire